Студопедия

КАТЕГОРИИ:

АвтомобилиАстрономияБиологияГеографияДом и садДругие языкиДругоеИнформатикаИсторияКультураЛитератураЛогикаМатематикаМедицинаМеталлургияМеханикаОбразованиеОхрана трудаПедагогикаПолитикаПравоПсихологияРелигияРиторикаСоциологияСпортСтроительствоТехнологияТуризмФизикаФилософияФинансыХимияЧерчениеЭкологияЭкономикаЭлектроника



Rariteny M(L)F

· Alahatro ny miaramila.

Mampiasa ny matoantenin'ny atao ny fehezanteny eo ambony. Miray teny amin'ny matoanteny ny lazaina (aho).

Matoanteny[hanova | hanova ny fango]

Ny matoanteny no fanahin'ny fiteny ary mamaritra ny tao, hetsika ary fiainana ny matoanteny. Mamaritra ny fisiana izy, nohon'ny fisian'ny matoanteny misy ; mamaritra ny tao izy, ohatra: "tia aho", "miasa ianareo" ; mamaritra ny fiharetana izy, amin'ny alalan'ny matoantenin'ny atao: "tiana aho", "esorina ianao".[7]

Ny matoanteny dia ampiasaina amin'ny filazana, fandavana na fanambarana zavatra izay mbola atao na efa natao : "miasa ny olona", "nomen'olona vola aho" ; mibaiko, manasa na mametra-panontaniana[8].

Fizarana voalohany : matoantenin'ny mpanao ary ny matoantenin'ny atao[hanova | hanova ny fango]

Ny matoanteny dia azo atao anaty sokajy telo : ny matoantenin'ny mpanao ary ny matoantenin'ny atao, ary ny matoanteny tsy mitongilana. Ny matoantenin'ny mpanao dia mamaritra ny lazaina manao zavatra. Ny matoantenin'ny atao dia mamaritra ny lazaina miharitra na iharan'ny zavatra.

Ny matoantenin'ny mpanao dia :

· lazaina fa mivantana (anglisy: direct) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina : ohatra: "miteny aho" ; "miasa aho", sns.

· lazaina fa mandroaka (anglisy: exclusive) rehefa manaraka ny lazaina ny mpameno. Izany dia midika fa ilay lazaina ary ilay lazaina ihany no manao ilay zavatra. Ohatra : "izaho no miteny" ; "Rakoto no manjono", sns.

· lazaina fa emfatika (anglisy: emphatic) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina. ohatra : "izaho miteny", "izaho misotro".

Telo no endrik'ireo matoantenin'ny atao.

1. Ny voalohany dia antsoina hoe endrika tsotra, satria avy amin'ny filaza mandidin'ny fototeny izy. Ohatra : ny matoantenin'ny atao "sotroina" dia avy amin'ny filaza mandidy "sotroy" izay avy amin'ny fototeny "sotro".

2. Ny endrika faharoa dia manana tovana mamaritra ny mpanao, na ny lazaina. Ohatra "ampianariko ny ankizy", "dioviko ny trano", sns.

3. Ny fahatelo dia ny endrika ara-toe-javatra, satria mampiasa ny toe-javatry ny fitaona, na toerana, na fomba. Ohatra : "tany an-trano no nisotroan'ny olona rano"



Ny matoantenin'ny atao tsotra dia manana endrika mivantana, emfatika na mandroaka.[9].

Ny matoanteny tsy mitongilana dia mamaritra tao izay mikasika ny mpanao ary ny mpanao ihany. Ohatra : "velona aho" ; "mandeha ianao". Manana endriky ny mpanao ary endriky ny atao ny matoanteny tsy mitongilana : "mandeha aho" (mat. mpanao) ; "andehanako", "alehako" (mat. atao).. Manana ny endrika mivantana, emfatika ary mandroaka ireo matoanteny tsy mitongilana ireo.

Fizarana faharoa : sokajy dimy[hanova | hanova ny fango]

Faharoa, azo sokajiana anaty sokajy dimy ny matoanteny malagasy :

· Ny matoanteny reflektiva

· Ny matoanteny mamari-pahafahana (anglisy: potentative verb). Ny tovona mamaritra izy io dia ny tovona maha-. Manana endrika mivantana, emfatika ary mandroaka ireo matoanteny ireo.

· Ny matoanteny mamari-pivoarana (anglisy: intensive verb) dia mamaritra ny hafatratra, ny fitomboana na ny fivoaran'ny tao iray. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona miha- ohatra ny anatin'i mihalava, mihafohy,mihavitsy, mihafeno, sns. Misy endriky ny mpana ary endriky ny atao io matoanteny io. Ao amin'ny endriky ny mpanao (ang.: active voice) ary amin'ny endriky ny atao (ang. passive voice) dia ahitana ny endrika mivantana, endrika emfatika ary endrika mandroaka (ang.: exclusive form). Amin'ny endrika misy soloteny voatovana amin'ny matoanteny mamari-pivoarana dia ahitana ny endrika mivantana emfatika ary mandroaka.[10]



· Ny matoanteny mampita (ang.: transitive verb) izay mamaritra ny tao ataon'ny lazaina eo amin'ny fameno. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona man- (manana endrika miova arakaraky ny fototeny)

· Ny matoanteny mifampivoho (ang.: reciprocative verb) Ao amin'io sokajy matoanteny io dia ahitana ny endriky ny mpanao ary ny endriky ny atao izay samy manana ny endrika mivantana, emfatika ary mandroaka.[11]. Ny endrika mivampivoho dia manana ny endriky ny mpanao, ny endriky ny atao ary ny endrika voatovana solonteny

Amin'ny tabilao eo ambany ny tsirinteny araky ny endriky ny matoanteny avy amin'ny fototeny "latsaka".

Tsirinteny matoanteny* araky ny sokajiny
  Endriky ny mpanao Endriky ny atao ary endrika voatovana soloteny
Reflektiva milatsaka latsahana
Mamari-pahafahana mahalatsaka ahalatsahana
Mamari-pivoarana mihalatsaka ihalatsahana
Mampita mandatsaka andatsahana
Mifampivoho mifandatsaka ifandatsahana

(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Zana-pizarana na fisokajiana fanampiny[hanova | hanova ny fango]

Ny fizarana fanindroan'ny matoanteny malagasy dia azo sokajiana anaty sokajy telo : endrika mampitranga (ang.:causative), endrika mampitranga mifamoivoho (ang.: reciprocative causative) ary endrika mampitranga mamari-pahafahana (ang.: potentative causative). Ny tovon'ireo matoanteny ireo dia fitambarana ny tovon'ny endrika mampitranga amin'ny tovon'ny endrika mifamoivoho na mamari-pivoarana

Tsirintenin'ny matoanteny* mampitranga[12]
  Endriky ny mpanao Endriky ny atao na endrika voatovana soloteny
Mampitranga reflektiva mampilatsaka ampilatsahana
Mampitranga mamari-pahafahana mampahalatsaka ampahalatsahana
Mampitranga mamari-pivoarana mampihalatska ampihalatsahana
Mampitranga mampita mampandatsaka ampandatsahana
Mampitranga mifamoivoho mifampilatsaka ifampilatsahana

(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Ireo matoanteny mampitranga mifampivoho dia natao hamaritana ny zavatra mampitranga, na, ny zavatra ataon'ny olona na zavatra mifampivoho. Ireo matoanteny ireo dia aorina amin'ny alalan'ny fanovana ny tovona m- ho mif- amin'ny endrika mampitranga ny matoanteny mivantana.

Tsirintenin'ny matoanteny mampitranga* mpifampivoho[13]
  Endriky ny mpanao Endriky ny atao na endrika voatovana soloteny
mampitranga mpifampivoho ny matoanteny reflektiva mifampilatsaka ifampilatsahana
mampitranga mpifampivoho ny matoanteny mamari-pahafahana mifampahalatsaka ifampahalatsahana
mampitranga mpifampivoho ny matoanteny mamari-pivoarana mifampihalatsaka ifampihalatsahana
mampitranga mpifampivoho ny matoanteny mampita mampandatsaka ampandatsahana
mampitranga mpifampivoho ny matoanteny mifamoivoho mifampilatsaka ifampilatsahana

(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Ny endrika mampitranga fahafahana dia maneho ny fahafahana na ny fahafahana mampitranga ny tao.

Tsirintenin'ny matoanteny mampitranga* fahafahana[14]
  Endriky ny mpanao Endriky ny atao na endrika voatovana soloteny
mampitranga fahafahana ny matoanteny reflektiva mahampampilatsaka ahampampilatsahana
mampitranga fahafahana ny matoanteny mamari-pahafahana mahampampahalatsaka ahampampahalatsahana
mampitranga fahafahana ny matoanteny mamari-pivoarana mahampampihalatsaka ahampampihalatsahana
mampitranga fahafahana ny matoanteny mampita mahampampandatsaka ahampampandatsahana
mampitranga fahafahana ny matoanteny mifamoivoho mahampampifandatsaka ahampampifandatsahana

(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Anarana ary solonteny[hanova | hanova ny fango]

Ny soloteny amin'ny teny malagasy dia maro an'isa ary miankina amin'ny fifandraisan'ilay mpiteny amin'ilay olona tenenina.

Tambinteny[hanova | hanova ny fango]

Ny tambinteny dia teny ampiarahana amin'ny mpamaritra anarana, ny matoanteny (mamaritra anarana na tsia) ary tambinteny hafa. Ao amin'ny teny malagasy dia ahitana karazana tambinteny telo : ny tambinteny mamaritr'isa (fandaharana na fanisana) tambinteny mamaritra fotoana: ankehitriny (oh.: ankehitriny, izao ihany, anio, sns.), efa lasa (sahady, taloha, rahateo, sns.) na ho avy (oh. : hatrizay, arakizao, rahampitso, sns.) ; ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana (matetika, indraindray, rahoviana, sns.) ; ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana voatanisa (oh. : indray, indroa, intelo, isan'andro, isam-bolana, sns.) ; ireo tambinteny mamari-toerana (oh. : aloha, aoriana, dia, mandavanandro, sns.) ; ireo tambinteny mamaritra zava-mitranga tsy misy fiafarana (oh. : mandrakariva, mandrakizay, tsy intsony)[15]

 

Mpamari-toerana[hanova | hanova ny fango]

Mpamari-toerana malagasy
  Akaiky Lavidavitra Lavitra
Tambinteny Tsy hita atỳ àto ào àtsy àny aròa* arỳ
Hita etỳ èto èo ètsy èny eròa erỳ
Soloteny Tsy hita izatỳ* izàto* izào izàtsy* izàny izaròa* izarỳ*
Hita itỳ ìto ìo ìtsy ìny iròa* irỳ
Hita pl. irèto irèo irètsy irèny ireròa* irerỳ*

Fanamarihana :

· Tsy voatery asiana tsindrim-peo ny mpamari-toerana.

· Tsy ampaisaina matetika ny mpamari-toerana misy ny *.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

· Tatitra Ethnologue mikasika ny teny malagasy

· Foibe momba ny Teny an'ny Akademia malagasy

· Ny fifehezanteny malagasy ao amin'i teny.org (renisokajy)

Boky malalaka[hanova | hanova ny fango]

· ((en)) A grammar of the Malagasy language, in the Ankova dialect , nosoratan'i David Griffiths, 1854

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]


Дата добавления: 2015-02-10; просмотров: 29; Нарушение авторских прав


<== предыдущая лекция | следующая лекция ==>
Votoatiny. · 2 Fiteny sy tenim-poko any Madagasikara | Madagasikara
lektsii.com - Лекции.Ком - 2014-2017 год. (0.015 сек.) Главная страница Случайная страница Контакты