Студопедия

КАТЕГОРИИ:

АстрономияБиологияГеографияДругие языкиДругоеИнформатикаИсторияКультураЛитератураЛогикаМатематикаМедицинаМеханикаОбразованиеОхрана трудаПедагогикаПолитикаПравоПсихологияРиторикаСоциологияСпортСтроительствоТехнологияФизикаФилософияФинансыХимияЧерчениеЭкологияЭкономикаЭлектроника


Madagasikara




 

((mg))
((mg))
 
 
 
 
Repoblikan'i Madagasikara ((mg))
(Antsipirihany) (Antsipirihany)

 

Teny filamatra : Fitiavana, Tanindrazana, Fandrosoana
Teny ofisialy malagasy frantsay
Renivohitra Antananarivo 18°54′57″S 47°31′18″E / 18.91583°S 47.52167°E
Tanàna lehibe indrindra Antananarivo
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisitra Repoblika Hery Rajaonarimampianina Roger Kolo
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) faha 46 587 040 km² 0,95
Isam-ponina - Tontaliny (2010) - hakitroka faha 53 22 005 222 mpo. 36.25 mpo./km² {{{1}}}
Anaran'ny mponina Malagasy
Sandam-bola Ariary (MGA)
Fiozao ny ora UTC +3
Hiram-pirenena Ry Tanindrazanay malala ô
Valan-tsehatra internet  
Antso an-tariby +261

Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy) dia firenena ao amin'ny Ranomasimbe Indianina. Fitambarana nosy i Madagasikara raha amin'ny lafin'ny firenena no jerena. Madagasikara ihany koa no iantsoina ilay nosy malagasy lehibe miendrika tongotra havia. Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany ny nosy Madagasikara. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany). Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo (3) sy zava-maniry toy ny Baobaba izay ahitana sokajy karazany valo (8) izay tsy hita amin'ny toeran-kafa ny enina (6).

I Madagasikara dia nipoitra tamin'nny fiparitahan'ny kaontinanta Gondwana tamin'ny taona tamin'ny taona -35 tapitrisa talohan'i Jesosy Kristy : voalohany i Madagasikara ary i India dia nisaraka tamin'i Afrika ary dimampolo tapitrisa taona taoriana, nisaraka tamin'i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin'izao fotoana izao. Noho izany dia tsy hita na aiza na aiza afatsy any Madagasikara valopolo isan-jaton'izay karazam-biby sy karazan-javatra misy any. Misy faritra ekolojika maromaro ao Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika noho ny asan'ny olombelon (tavy, fandringanana ny ala, fihazanana ny biby) ; ankehitriny dimy amin'ny sivipolo isan-jaton'ny ala taloha no voaringana.

Araka ny arkeolojia, ny olona voalohany indrindra tonga tao Madagasikara dia tonga teo amin'ny 300-500 taorian'i Jesoa Kristy. Ireo mponina ireo dia mponina aostrônezianina avy any Borneo, ao Indonesia. Tonga fitonjato taona taty aoriana ireo mponina Bantoa niampita ny lakandranon'i Mozambika, ireo arabo avy any avaratra, ireo karana ary ireo sinoa. Tamin'ny taonjato faha fito ambin'ny folo, nanomboka nanjanaka an'i Madagasikara ny frantsay (Fort-Dauphin, Diego-Suarez). Samy manana ny anjarany ao amin'ny fiainana ara-kolontsaina malagasy ankehitriny ireo mponina nipetraka ary mipetraka tao Madagasikara ireo.

Nandritry ny taonjato faha 19, ny nosin'i Madagasikara dia voazakan'ny Fanjakan'i Madagasikara, nihongana tamin'ny fanafihan'ny frantsay tamin'ny 1895. Ny Governemanta malagasy voalohany dia tamin'ny 10 Oktobra 1958 ary tamin'ny 1960, nahazo ny fahaleovantenany Madagasikara tao aorian'ny tolon'ny tia-tanindrazana. Madagasikara no anisan'ny firenena voalohany nahazo fahaleovantena tao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indianina ary anisan'ny voalohany indrindra tao amin'ny faritraatsimon' Afrika.


Поделиться:

Дата добавления: 2015-02-10; просмотров: 107; Мы поможем в написании вашей работы!; Нарушение авторских прав





lektsii.com - Лекции.Ком - 2014-2024 год. (0.006 сек.) Все материалы представленные на сайте исключительно с целью ознакомления читателями и не преследуют коммерческих целей или нарушение авторских прав
Главная страница Случайная страница Контакты