:



Ny foko malagasy 18

Antaifasy Antaimoro Antaisaka Antakarana Antambahoaka Antandroy Antanosy Bara Betsileo Betsimisaraka Bezanozano Mahafaly Merina Sakalava Sihanaka Tanala Tsimihety Vezo

Isan'ny mponina[hanova | hanova ny fango]

Ny isan'ny mponina ao Madagasikara amin'ny ankapobeny dia misy 20 042 551 tamin'ny 2008[5], ary eo amin'ny 22 tapitrisa eo ho eo tamin'ny 2012[6]. Eo amin'ny 43%n'ny mponin'i Madagasikara no latsaky ny 15 taona[7].

Isan'ny mponina teo anelanelan'ny taona 1921 sy 1960[8][hanova | hanova ny fango]

(Venty : Anarivony isaky ny 1 janoary )

 
Malagasy       4 048,6 4 102,8 4 196,1 4 256,1 4 349,4 4 420,9 4 535,8 4 639,4 4 794,9 4 929 5 050,2 5 182,9
Komoriana (1)       42,4 45,3 47,1 46,7 37,5
Fitambarany 3 344 3 722 4 034 4 088,6 4 142,8 4 236,1 4 296,1 4 389,4 4 460,9 4 578,2 4 684,7 4 842 4 975,7 5 098,2 5 220,4
Frantsay 41,5 44,5 49,8 51,9 52,7 56,8 64,9 66,1 67,4 69,5 52,3
Karana           10,5   11,7 12,1 12,8 12,8 13,1 13,3
Sinoa           5,7   5,5 5,7 6,7 6,8 7,3
Hafa             4,5 4,8 4,9 5,3 5,2 4,5 5,5
Fitambarany 19,2 19,9 20,7 21,5 21,7 22,6 23,7 24,7 24,9 25,6 25,8 25,5
FITAMBARANY 3 382 3 760 4 080 4 149 4 207 4 307 4 369 4 464 4 540 4 667 4 776 4 934 5 071 5 191 5 298

(1) Miampy koa ireo teratany avy aminny taninny Frantsay hafa . Tarehimarika novinavinaina ho anny taona 1949 1954.



Isan'ny mponina teo anelanelan'ny taona 1950 hatramin'ny taona 2010 [9][hanova | hanova ny fango]

  Isam-ponina manontolo(x 1000) 014 taona (%) 1564 taona (%) mahery ny 65 taona (%)
4 084 38.2 58.6 3.2
4 548 40.2 56.6 3.2
5 104 42.6 54.1 3.3
5 764 44.6 52.0 3.4
6 549 45.1 51.3 3.6
7 502 45.6 50.6 3.8
8 609 45.9 50.5 3.6
9 785 45.1 51.6 3.3
11 281 44.7 52.1 3.2
13 129 44.5 52.4 3.1
15 364 45.3 51.6 3.1
17 886 44.6 52.3 3.1
20 714 43.1 53.8 3.1

Fiarahamonina[hanova | hanova ny fango]

Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !

Fanabeazana[hanova | hanova ny fango]

Betsaka ireo olon-dehibe izay tsy mahay mamaky na manoratra[10]. Latsaky ny tahan'ny lehilahy mahay mamaky sy manoratra ny tahan'ny vehivavy mahay mahay mamaky sy manoratra. Eo amin'ny 16,4% ny vola lanin'ny governemanta nandritry ny fe-potoana 2000-2007[11]. Nifintina 32% ny anjaran'ny kitapom-bola ho an'ny fianarana ambony tamin'ny fiantombohan'ny taona 1990. Eo amin'ny 57$ (6% ny PIB/olona) isaky ny mpianatra ny vola lanin'ny fanjakana amin'ny fampianarana ambaratonga voalohany.



Fananahana[hanova | hanova ny fango]

Fifanarahana maro mikasika ny fiarovana ny ankizy no efa nosoniavin'i Madagasikara.

Hatramin'ny taona 2005, tsy misy vehivavy mahazo mivoaka ny firenena miaraka amina olom-pirenena vahiny, na dia efa mivady aza ireo, raha tsy mbola feno 21 taona ilay vehivavy.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Any ila-bolan-tany atsimo no misy an'i Madagasikara, faha dimy amin'ny nosy ngeza indrindra eto an-tanyny nosin'i Madagasikara, ao aorian'i Aostralia, Groenland, Ginea Vao ary Borneo. Ny lakandranon'i Mozambika no manasaraka azy amin'i Afrika. 700 km eo ho eo ny elanelan'i Mozambika sy Madagasikara. Nosy Mena (l'Île Rouge) no fiantson'ny olona an'i Madagasikara tsindraindray, satria ilay loko mena ilay no laterita mandoko ny dongolavany mena. 1580 km ny halavan'i nosin'i Madagasikara avy any atsimo ka hatrany avaratra ary 580 km ny sakany avy any atsinanana ka hatrany andrefana.

Misy tangorom-bohitra mizara ny nosy makany avaratra hatrany atsimo. Ny salasalan'ny halavan'ireo tendrombohitra ireo dia misy 1200-1500 metatra eo ho eo. Any avaratr'i Madagasikara no misy nyTendrona Tsaratanana (na Maromokotro) manana haabo 2876 m. Misy farihy dimy any; ny farihy ngeza indrindra any Madagasikara dia ny Farihin' Alaotra, manana velarana 182 km2

 

Ireo farihy lehibe sy ny velarany (ha) tamin'ny taona 1960[12][hanova | hanova ny fango]

Ny farihin' Alaotra no farihy lehibe indrindra ao Madagasikara. Ny halalin'ny toerana lalina indrindra amin'io farihy io dia 1,5 metatra monja.

Ny lanjan'ny ranon'ny farihin'Alaotra dia eo amin'ny 930 tapitrisa taonina eo ho eo (0,93km3). Noho ny fikaohan'ny tendrombohitra manodidina, dia nihafeno fasika ilay farihy, ka izany no anisan'ny antony tsy mahalalina io farihy io.

Farihy Velarany Ha Distrika
Alaotra 22 000 Ambatondrazaka
Kinkony 8 500 Mitsinjo
Itasy 4 200 Soavinandriana
Antsohary 3 950 Mitsinjo
Bemamba 3 825 Antsalova
Ihotry 3 475 Morombe
Réserve de Tsiazompaniry 3 200 Ambatolampy
Bendrony 3 050 Maevatanàna
Andranomena 3 025 Belo-sur-Tsiribihina
Amparihibe 2 625 Maevatanàna
Hima 2 650 Belo-sur-Tsiribihina
Tsimanampetsotsa. 2 300 Betioky
Tsibirahy 2 200 Besalampy
Ampahana 2 175 Antalaha (L)
Masama 2 075 Antsalova
Réserve de Mantasoa 2 050 Manjakandriana
Nosy-Ve 2 010 Tamatave
Analampotsy 2 000 Nosy-Varika
Anony 2 000 Fort-Dauphin
fitambarany 77 310  

Vohontany[hanova | hanova ny fango]

Voazara telo ny vohotan'i Madagasikara. Any atsinanana dia misy lemaka tery kely haavo misy ny lakandranon'ny Pangalana manana toe-tany be orana any avaratra hatrany atsimo. Ny eo anivon-tany indray dia misy ny ankabeazan'ny mponin'i Madagasikara ary koa ny renivohi-pirenena Antananarivo ; ny toe-tany eo amin'ny faritra anivo dia mangatsiaka amin'ny andro ririnina ary matimaty na mafana rehefa andro fahavaratra amin'ny volana Desambra ; ny latsak'orana eo amin'ny faritra anivo dia antonontonony ; ny havoana dia maka enimpolo isan-jaton'ny velarantany tontalin'i Madagasikara. Ny faritra andrefana dia manana toe-tany maina sady mafana mandavantaona ; ny hakitroky ny mponina any amin'nyfaritra andrefana dia anisan'ny kely indrindra ao Madagasikara.

Ny toerana avo indrindra ao Madagasikara dia ny Tsaratanana any amin'ny faritan' Antsiranana manana haavo 2 876 metatra.

Toe-tany[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra antsipirihany : Toe-tanin'i Madagasikara.

Tropikaly ny toe-tany amin'ny amorontsiraka, ara-pehibe izy any atsinanana, tropikaly maina izy any amin'ny amorontsiraka andrefana sy atsimo, ary tropikaly mangatsiaka izy any ampivoany. Ny Anticyclone ny Ranomasimbe Indianina no mampisy ny alizé atsimo atsinanana, mihisaka araky ny fizaran-taona io alizé io.

Manana fizaran-taona (saison) roa i Madagasikara : misy ririnina (maina) amin'ny volana Mey hatramin'ny volana Oktobra, sy fahavaratra (mando) amin'ny volana Novambra hatramin'ny volana Aprily. Miovaova arakaraky ny haabon-toerana ny toetrandro sy ny rivotra manjaka ny toetrandro. Mandalo amin'ny amorontsiraka atsinanana izao ohatra ny alizé, Noho izany dia manorana matetika any satria mbola misy ny Andrangitra mitazona ny ankabeazan'ny hamandoana ; Any amin'ny amorontsiraka atsinanana izao no tena be orana indrindra any Madagasikara (3 500 mm isan-taona)

Mandalo matetika amin'ny fahavaratra ny rivo-doza avy any amin'ny nosin'ny Maskarena. Maimaina sy mangatsiatsiaka ny tany any andrefan'i Andringitra amin'ilay alizé tsy tonga any. Mahatratra 1 400 mm ny orana latsaka any Antananarivoamin'ny ririnina, mety mangatsiaka be ny alina any fa tsy dia mivoaingana matetika. Fa mety mivoaingana ny rano rehefa mihakatra any an-tendrona. Amin'ny andro ririnina, ny lanitry ny renivohitra dia anisan'ny tena mazava (amin'ny tantera-kazavana) indrindra eto an-tany. Mbola maina non'ny ampivoany ny toetr'andro any andrefana satria efa nilatsaka daholo ny hamandoan'ny alizé. 300 mm fotsiny ny tontalin'ny orana latsaka any Toliara mandritry ny taona

Toe-karena[hanova | hanova ny fango]

Anisan'ny firenena mbola an-dalam-pivoarana eto an-tany i Madagasikara. Araka ny tatitra momba ny IDH tamin'ny taona 2000 (miankina amin'ny taona 1998 ny fampahalalàna), faha 141 amin'ny firenena 174 Madagasikara.

Miankina amin'ny fambolena ny toe-karenan'i Madagasikara. Miverina tsikelikely ny toe-karena tamin'ny krizy tamin'ny 2001. Miezaka mafy ny fitondrana (manomboka hatramin'ny 2002) mba hampivelatra ny firenena amin'ny alàlan'nyMadagascar Action Plan.

Mikasika ny fanamboarana ny lalana ihany koa ny fivoarana.

Banky[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny 1889, dia nitsangana ny banky malagasy voalohany Ny fananganana ny sandam-bola euro dia nampaherin'ny vola Malagasy izay tsy niankina tamin'ny volan'ny mpanjakana teo aloha (Franc frantsay), miatrika ny ampihimamban'ny dolara amerikanina mahery tany aloha.

Vola baiko[hanova | hanova ny fango]

Olona vitsy an'isa no manana fidiram-bola isam-bolana avy any ivelany avy amin'ny havana. Tombanana ho eo amin'ny 50 hatramin'ny 100 isaky ny fianakaviana ny vola baiko. Tamin'ny Mey 2003 , ny Arary malagasy no misolo ny Franc Malagasy (iraimbilanja). Nanomboka tamin'izany dia fametahana mari-bidy roa no apetraka eo amin'ny toeram-pivarotana sy ny tsena ofisialy. Nanomboka tamin'ny taona 2005 dia tsy misy afa-tsy ny Ariary malagasy no sandam-bola ofisialy ao amin'ny firenena (1 Ariary = 5 iraimbilanja).

Fambolena[hanova | hanova ny fango]

Ny fambolena sy ny fiompiana no fiveloman'ny fitopolo isan-jatonanny mponina. Hita na aiza na aiza ny vary ary hita fa manamarika ny fisehonny tontolo manodidina, satria foto-tsakafonny malagasy ny vary. Mbola lafo nohonny vary aziatika hafarana ny vary malagasy. Ny hena haninny malagasy dia ny hena omby.

Fahantrana[hanova | hanova ny fango]

Ankehitriny, firenena mahantra i Madagasikara (firenena faha 146/177 aminny resaka IDH, Indice de Développement Humain). Maro ny antonny mampahantra ny Malagasy.

Anisanireo antony ireo ny safidy ara-politika sôsialista nandritry ny ady mangatsiaka ary ny fahataràna ara-pandrosoana vokatrizay safidy izay: miha-simba ny foto-drafitrasa, ny sakana ara-pandraharahana aminny fampivoarana ny orinasa, ny tsifitombenana ara-politika ary ara-pitsaràna. Ao koa ny Fihavananny Malagasy, na dia zavatra hafa tsy miditra azo aza : mifanampy ny mpiray fianakaviana, na dia tsy mampivoatra ny tena aza ilay fifanampiana ny fianankaviana. Izay fisainana izay koa dia vao maika ampitomboinireo Fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) aminny lafiny rehetra: tontolo iainana, kolontsaina, fahasalamana, fampianarana, fahazazana, fambolena. Ary noho izany, loharanon-karena mazava avy any ivelany ilay fanampiana avy any ivelany, na dia ho anny tena aza, ary anefa tsy fototry ny fivoarana maharitra..

Ny vary[hanova | hanova ny fango]

 

tanimbary

Foto-tsakafon'ny malagasy ny vary, ary manamarika ny endriky ny faritra ny saha.

Tanjona ho an'ny ho avy[hanova | hanova ny fango]

Araka ny filazan'ny filohan'ny tetezamita mikasika ny fihaonambe Rio+20 tany Brezila ny 20 jona 2012, anisan'ny tanjon'i Madagasikara ny ho lasa sompitry ny ranomasimbe Indianina. Ny fomba hahatratrarana izany tanjona izany dia ny fanovana an'i Madagasikara hanana "toe-karena maitso".[13]

Hai-kanton'i Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Fety sy andro tsy fiasana[hanova | hanova ny fango]

Daty Anarana Fanamarihana
1 Janoary Taom-baovao Tsy fiasana ny andro voalohan'ny taona.
Paska Paska Ny andron'ny Paska dia ny Alahady manaraka ny fenomanana voalohan'ny Fararano. Izany hoe ny alahady aorian' ny fenomanana voalohany aorian' ny ekinoksan' ny andro 21 martsa.  
Alatsinain'nyPaska Alatsinainy manaraka nyPaska.    
29 Martsa Fahatsiarovana ny martioran'ny tolona tamin'ny 1947 Fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny aina tamin'ny tolom-panafahana izay nanomboka 27 Martsa 1947 ary naringan'ny tafika mpanjanaka Frantsay : "90.000 no isan' ny olon-tsotra maty" hoy ny jeneraly Garbay kaomandin' ny tafika frantsay tamin'izany fotoana izany.  
1 Mey Fetin'ny Asa Andro fankalazana ahitana hetsika Sindikaly sy Politika.  
25 Mey Andron'i Afrika Tany am-piandohana, dia fety fankalazana ny niforonan'ny Firaisamben'ny Firenena Afrikana OUA tamin'ny 25 May 1963 izy io. Nanomboka tamin'ny 9 Jolay 2002 dia nosoloin'ny Fivondronam-pirenena Afrikana (UA) ny OUA.  
Fiakaran'ny Tompo Alakamisy 40 andro aorian'nyPaska Niakatra hamonjy ny Rainy any an-danitra i Jesoa Kristy.  
Pentekosta Pentekosta Alahady fahafito aorian' ny Paska  
Alatsinain'nyPentekosta Alatsinainy manaraka ny Alahady fahafito aorian'ny Paska Nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny mpianatry ny Tompo  
26 Jiona Fetim-pirenena Fankalazana ny fahaleovantena Malagasy izay nosoniavina sy nambara ampahiny 26 Jiona 1960.  
15 Aogositra Nampakarana an'i Maria Nakarina velona any an-danitra i Maria Virijiny  
1 Novambra Fetin'ny olo-masina Fetin'ny olo-masina rehetra.  
25 Desambra Noely Nahaterahan'ny Jesoa zaza.  

Vangio koa[hanova | hanova ny fango]

Madarail

Antananarivo

Politika ao Madagasikara

Tantaran'i Madagasikara

Tananan'i Madagasikara

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Madagascar sur Wikitravel

L'Express de Madagascar Gazety L'Express de Madagascar

L'Hebdo de Madagascar Gazety mpiseho isan-kerinandro

Pays du monde | continent

vaovao amin'ny teny malagasy eran'ny izao tontolo izao

Madagasikara an'isa[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra Ilaina[hanova | hanova ny fango]

Madagasikara an'isa Demografian'i Madagasikara Samihafa Toe-tanin'i Madagasikara Toe-karen'i Madagasikara Hai-kanton'i Madagasikara

 


: 2015-02-10; : 52;


<== | ==>
Votoatiny |
lektsii.com - . - 2014-2017 . (0.025 .)