:



Votoatiny

:
  1. Votoatiny

[afeno]

1 Tantara

o 1.1 Mponina voalohany (500 Talohan'i JK - 1500 Taorian'i JK)

1.1.1 Fiaviana aostrôneziana iraisana : Vahoaka Ntaolo

1.1.2 Fipetrahana : ny Vazimba ary ny Vezo

2 Politika

o 2.1 Fahefana mampihatra ny lalàna

o 2.2 Fiarovana

3 Fiteny

o 3.1 Ny teny malagasy

o 3.2 Ny fiteny vahiny

4 Faritany

5 Demografia

o 5.1 Isan'ny mponina

5.1.1 Isan'ny mponina teo anelanelan'ny taona 1921 sy 1960[8]

5.1.2 Isan'ny mponina teo anelanelan'ny taona 1950 hatramin'ny taona 2010 [9]

6 Fiarahamonina

o 6.1 Fanabeazana

o 6.2 Fananahana

7 Jeografia

o 7.1 Ireo farihy lehibe sy ny velarany (ha) tamin'ny taona 1960[12]

o 7.2 Vohontany

o 7.3 Toe-tany

8 Toe-karena

o 8.1 Banky

o 8.2 Vola baiko

o 8.3 Fambolena

o 8.4 Fahantrana

8.4.1 Ny vary

o 8.5 Tanjona ho an'ny ho avy

9 Hai-kanton'i Madagasikara

10 Fety sy andro tsy fiasana

11 Vangio koa

12 Rohy ivelany

13 Madagasikara an'isa

14 Lahatsoratra Ilaina

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra antsipirihany : Tantaran'i Madagasikara.

Voalaza ara-tantara fa i Madagasikara dia isan'ny ilabolan-tan'ny Gondwana, ary nitriatra tamin'ny Afrika 160 tapitrisa taona lasa izay. Nanomboka teo amin'io fivakisana io no niforona ny Nosin-tan'i Madagasikara rehefa avy nisaraka tamin'ny India 80 na 100 tapitrisa taona lasa izay. Maro ny mpikaroka sy mpahay tantara no milaza fa teo ho eo amin'ny 200 taona T.J.K. (taorian'i Jesosy Kristy) no tonga teto madagasikara ny olona mpifindra monina voalohany. Araka izany dia voalaza fa avy any Azia Atsinana (indonezia) no fiavian'ireo mpifindra monina ireo. Teo koa ny fahatongavan'ny Araboavy amin'ny fianakavian'i Mohameda, ny Indianina ary ny Jiosy babo avy tany Babilona. Ary teo koa (angamba) araka ny voalazan'ny mpandinika vitsivitsy ny fifindran'ireo Afrikanina izay mbola Arabo (Mozilmana) razana ihany koa. Ary taty aoriana no nisy olona avy any Tonga no tonga tao amin'ny nosy malagasy.

Mponina voalohany (500 Talohan'i JK - 1500 Taorian'i JK)[hanova | hanova ny fango]

Fiaviana aostrôneziana iraisana : Vahoaka Ntaolo[hanova | hanova ny fango]

Tsy tanteraka ny zavatra fantatra mikasika ny fipetrahan'ny olona tao Madagasikara, fa araka ny karoka ary ny asa nataon'ireo mpahay jenetika, haitsikerafiteny ary tantara, dia aostrôneziana ny tena fiavian'ny Malagasy, izay avy amin'ny tambanosy indoneziana. Mety tonga tao Madagasikara ireo olona ireo tamin'ny alalan'ny lakana (waka) tamin'ny taonjato voalohany taorian'i JK, na telonjato talohan'i JK, araka ny arkeôlôgy, ary talohan'ilay daty farany voalaza araky ny lazain'ny jenetisianina. Ireo olona ireo dia antsoina Ntaolo, izay avy amin'ny fteny Prôtô-Malay-Polinezianina *tau-ulu izay midika "olona voalohany", avy amin'i *tau 'olona" ary *ulu, izay midika "loha", "fiaviana", "fitombohana". Miantso an'ny tenany ho *va-waka" "olon'ny lakana" io mponina tonga tao Madagasikara voalohany io. "*va-waka" izay avy amin'ny teny *va"mponina" ary *waka "lakana"; teny izay niavian'ny teny vahoaka.



Manazava ny endriky iraisan'ny Malagasy ny fiaviana aziatika tatsimo atsinanan'ny razambeny : tso-bolo, tsy mainty hoditra ohatra ny afrikanina "banto". Ny vahoaka ntaolo" dia nampandova ny :



Teny malagasy, izay teny iraisana manerana ny nosy; izay mizara fototeny maro amin'ireo teny Barito ary ny teny Dayak izay tenenina ao atsimon'ny Borneo toa ny fiteny ma'anyan izay teny be fitovizana indrindra amin'ny fiteny malagasy.

Fomban-drazana iraisana iraisana amin'ny aostrônezianin'i Taiwan, nosin'i Pasifika, Indonezia, Filipina ary Zelandy Vao, toa ny fambolena saonjo, akondro, voaniho, fary; fampiasana zavamaneno toa ny sodina (malay suling) ny valiha, sns.

Fipetrahana : ny Vazimba ary ny Vezo[hanova | hanova ny fango]

Tonga avy amin'ny amorontsiraka atsimo atsinanan'ny nosy ny olona voalohany, na dia mety tonga avy tany Avaratra aza ny olona voalohany. Tam-pahatongavana, manao ny fanaovana tavy no nahafahan'ny mponina voalohany mamboly amin'ny alalan'ny fandringanana ny ala teny amin'ny amorontsiraka.

Tamin'ny taonjato fahafito taorian'i JK, dia nanomboka nanadio ny alan'ny afovoantany ny sasany amin'ireo vahoaka ntaolo ireo. Ireo tany malalaka vokatry ny fandringanana ny ala ireo dia nambolena vary sy saonjo. Ireo vahoaka ntaolo ireo izay nifidy ny nipetraka tanaty ala dia nantsoina vazimba (avy amin'ny teny *va-yimba izay avy amin'ny teny *yimbamidika "ala"). I Rafandrana, razamben'ny mpanjaka Merina dia fantatra fa Vazimba. Rafohy ary Rangita izay mpanjaka Merina dia fantatra fa Vazimba ihany koa.

Politika[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra antsipirihany : Politika ao Madagasikara.

I Madagasikara dia repoblika ahitana antoko politika miisa 312. Ny filoha no mitondra ny firenena ary ny praiminisitra no mitondra ny governemanta. Ny governemanta no mampihatra ny lalàna.

Nekenny mpandatsa-bato malagasy ny lalàm-panorenana novaina taminny 1998.

Fahefana mampihatra ny lalàna[hanova | hanova ny fango]

Lany aminny alalanny latsabato ataon'ny daholobe ny filoham-pirenena ary mijanona ho filoha mandritry ny dimy taona, azo averina indroa. Izy no manonona ny praiminisitra.

Taminny fomba tsy dia natao hoe ara-dalàna, naka ny fahefana i Andry Rajoelina nandritry ny fikorontanana nitranga tamini taona 2009 taorianny fialàni Marc Ravalomanana, ary taorianny fakani Andry Rajoelina ny fahefana, nanohy ny fanomezan-dalani Marc Ravalomanana izy na dia tsy lany taminny latsabato ataonny daholobe aza. Ny tena marina, raha tena nisy ny tetezamita, ny miaramila no tokony nitondra azy : izany hoe izy manana ny mari-boninahitra avo indrindra ao aminny Tafika. Ary roa volana aorianny tetezamita, misy ny fifidianana ny filoham-pirenena. Voarara any Madagasikara ary manerana izao tontolo izao ilay fakani Andry Rajoelina fahefana izany hoe manohy ny fanomezan-dalanny filoham-pirenena laninny latsabato.

Fiarovana[hanova | hanova ny fango]

Ireo fanjakana naorinny foko toa ny Sakalava, ny merina ary ny foko hafa n manorona ny tafika voalohany tao Madagasikara. Nampiasa lefona izy ireo fa taty aoriana dia nampiasa basilava, tafondro ary fitaovam-piadiana mampiasa vanja hafa.[1] Tany am-piandohanny taonjato faha-19 dia saika nanjaka eraky ny nosy ny mpanjaka Merinny Fanjakani Madagasikara, taminny alalanny tafika ahitana olona telo alina tsara ofana ary tsara fitaovana.[2] Nahatonga anny priminisitra Rainilaiarivony hangataka fanampiana aminny britanika momba ny fiofanana ny tafika Merina ny fanafihanny frantsay ny tanàna eo aminny amorontsiraka. Na dia nisy aza ny fiofanana sy ny fahaizana nentinny britanika, nilefitra noho ny fanafihanny tranonny mpanjaka tao Antananarivo ny tafika malagasy. Lasa zanatany frantsay i Madagasikara nanomboka taminny 1897[3] hatraminny taona 1960.

Naverina niaraka taminny fahaleovantenani Madagasikara tamini Frantsa ny fahaleovan-tenanny taika malagasy izay nahitana ny tafika an-dranomasina, ny tafika an-kabakabaka, ary ny tafika an-tany. Nanomboka izany fotoana izany dia tsy niaty tamina firenena hafa intsony i Madagasikara na tao anaty na tany ivelanny sisintany, fa efa niditra an-tsehatra ihany izy io indraindra taminny famerenana ny filaminana aminny fotoan-pikorontanana ara-politika. Taminny fotoanny Repoblika Faharoa dia tsy maintsy miditra ho miaramila ny olom-pirenena na lahy na vavy. Naharitra nandriry ny 15 taona izany lalàna izany (1976-1991). Ny minnisitry ny atitany no mitanana ny tafika ary mijanona ho tsy manohana aniza na iza foana izy io nandritry ny krizy politika, toa ny nanritra ny fifanandrinani Ratsiraka sy Ravalomanana taorianny fifidianana taminny 2001. Tapaka taminny 2009 izany fomba izany rehefa nivadika ho hanohana ani Andry Rajoelina benny tanànani Antananarivo ny ampahanny tafika an-tany.

Ny minisitry ny Atitany no manana ny andraikitra aminny fitantanana ny herinny polisy, ny zandarimaria ary ny polisy miafina. Voatantana eo an-toerana ny polisy sy ny zandarimaria. Na dia izany aza, latsaky ny ampahatelonny kaominina rehetra no afaka nandray ny asanny mpitandro ny filaminana, ary tsy ampy indrindra ireo foibe an-toerana ho anireo vatam-piarovana ireo. Ny fitsaram-piarammoniia nentim-paharazana izay antsoina hoe dina dia tarihinny olona hajaina ary eflehibe rehefa eny ambanivohitra izay tsy ahitana ny mari-piatrehanny fanjakana.

Taminny tantarani Madagasikara, dia somary tsara ihany ny fiarovana manerana ny nosy. Ambany ny tahanny herisetra sy ny heloka bevava raha oharina aminny firenena mitovy mari-pivoarana. Ny halatra sy halatra miaraka aminny fivarotan-tenanny ankizy no ankamaroanny heloka bevava miaraka aminny fanambarana ary fivarotana rongony sy zavatra hafa mahadomelona Ny fifintinanny teti-bola nanomboka taminny 2009 dia nanana fiantraikany mafy taminny polisim-pirenena izay nahatonga ny heloka bevava hitombo taty aoriana

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny malagasy[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra antsipirihany : fiteny malagasy.

Ny Teny Malagasy dia misokajy ao anatin'ny fiteny aostronezianina, iray tarika amin'ny fiteny malayo-polinezianina miaraka amin'ny Tagalog (fiteny filipina) ny Malay-indonezianina, ny javaney sns.

Araka ny lalam-panorenana, ny fiteny malagasy dia fiteny ofisialy voalohan'i Madagasikara. Teny iray tsy mivaky sady azon'ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy ny fiteny malagasy ofisialy. Araka ny statistika, ny teny malagasy ofisialy ary ny tenim-paritr'i Madagasikara no tena hain'ny mponina malagasy tenenina. Eo amin'ny valopolo isan-jaton'ny (80%) malagasy monina ao Madagasikara no tsy mahay teny afatsy teny malagasy[4]. Ireo olona tsy mahay afatsy teny malagasy ireo amin'ny ankapobeny dia olona miaina any ambanivohitra. Amin'ny resaka haino aman-jery dia io fiteny io no teny voalohany ampiasaina ao Madagasikara. Tsy dia isian'ny teny malagasy loatra ny Aterineto, izay ahitana loharanom-pahalalana kely dia kely raha oharina amin'ireo fiteny eoropeana lehibe (frantsay, anglisy...). Ny antony dia ny tsy fahitana na ny havitsin'ireo mpamatsy tranonkala amin'ny teny malagasy, ary ny havitsian'ny tahan'ny olona manana Aterineto amin'ny isam-ponin'i Madagasikara.

Ny fiteny vahiny[hanova | hanova ny fango]

 

Ireo firenena ao amin'ny Frankofonia

Nisy fiantraikany tamin'ny teny malagasy ny tenin'ireo vahiny nifandray tamin'ny malagasy hatramin'izay. Nisy fiantraikany ohatra ny teny anglisy (amin'ny fampidirana teny vaovao toa ny sokodrevo, lefitra, raitra...). Ary ny teny frantsay, izay teny ofisialin'ny firenena nanjanaka an'i Madagasikara nandrintry ny enimpolo taona.

Noho izany dia nisy fiantraikany koa ny teny frantsay teo voambolan'ny fandraharahana (sendikà, politika, distrika) ary koa amin'ny lafin'ny haianarantany ao Madagasikara : ka na dia nogasiana aza ny ankamaroan'ny anaran-tany ary ny anaran-tanàna ao Madagasikara, mbola ampiasain'olon-tsasany (indrindra indrindra ireo manam-pahaizana izay nianatra teny amin'ny fianarana miteny frantsay) ny anarana frantsay ny tanàn-dehibe toa i Toamasina (Tamatave), Mahajanga (Majunga),Antsiranana (Diego-Suarez)...

Ny fiteny vahiny ianarana indrindra ao Madagasikara dia ny fiteny frantsay. Io ary io ihany no fiteny ampiasaina amin'ny fianarana ambony ary amin'ny fianarana frantsay ao Madagasikara. Izy io ihany koa no teny ampiasain'ireo mpamoaka lalàna. Nanomboka ny taona 1896 izay daty nivadihan'i Madagasikara ho zanatany frantsay, ny fiteny frantsay no fiteny ofisialy ary ampiasaina amin'ny lafin'ny fandraharahana ary saika mitovy lanja amin'ny teny malagasy izy io amin'ny fiainana politika.

 

Ireo firenena izay mampiasa ny teny anglisy ho teny ofisialy

Manaraka ny fiteny frantsay dia tonga ny fiteny anglisy. Ny antony ianarana ny teny anglisy ao am-pianarana amin'izao fotoana izao dia noho ny fianjadiana eran-tanin'ireo firenena miteny anglisy toa an'iEtazonia ary ny Firenena Mitambatra. Ankoatr'ireo firenena roa ireo dia ahitana ireo firenena avy ao Afrika Atsimo sy Atsinana, (afatsy iMozambika), ireo firenena any Azia Atsimo ary Azia Atsimo Atsinanana (Indonezia, Tailandy), ary i Aostralia. Heverina koa fa ny teny anglisy no teny fampiasa amin'ny varotra iraisam-pirenena ary amin'ny siansa ary ny raharahan'ny teknolojia vaovao.

Tsy fitenin'ny mpanjanatany ny teny anglisy ka tsy mira amin'ny teny frantsay ny lanjany ary ny fianjadiany. Kanefa noho ny fitiavan'ny filoha taloha Marc Ravalomanana ny anglisy ary noho ny fianjadiana eran-tanin'ny firenena toa i Etazonia, ny fianjadiana ara-paritr'ireo firenen'i Afrika ary ny firenena lehiben'ny Ranomasimbe Indianina ary koa ny fiparitahan'io fiteny io erak'izao tontolo izao, dia nataony ho teny ofisialy ny teny anglisy tamin'ny taona 2007, miaraka amin'ny teny frantsay ary malagasy ary lany tamin'ny fitsapahan-kevi-bahoaka. Tamin'izany taona izany, latsaky ny 5% no lanjan'isan'ireo malagasy afaka mifandray amin'io fiteny io. Tamin'ny nahatongavan'i Andry Rajoelina teo amin'ny fahefàna, dia nesorina tsy ho teny ofisialy intsony ny teny anglisy.

Faritany[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra antsipirihany : Faritan'i Madagasikara.

Nizara ho faritany enina (6) i Madagasikara hatramin'izay: Antsiranana, Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina ary Toliara.

Araka ny fiovana nisy anefa, nanomboka ny taona 2004, dia nozaraina ho faritra 22 i Madagasikara. Ireto avy ireo faritra22 ireo miaraka amin'ny isan'ny mponina tamin'ny 2004:

 

Ireo Faritra 22, miaraka amin'ny isan'ny mponina (tamin'ny 2004)
Lah, Anarana Reniv, Mponina Velarana(km²) Hab, Mponina
Diana Diego I 485 800 19 266 25,2
Sava Sambava 805 300 25 518 31,6
Itasy Miarinarivo 643 000 6 993 91,9
Analamanga Antananarivo-Renivohitra 2 811 500 16 911 166 3
Vakinankaratra Antsirabe I 1 589 800 16 599 95,8
Bongolava Tsiroanomandidy 326 600 16 688 19,6
Sofia Antsohihy 940 800 50 100 18,8
Boeny Mahajanga I 543 200 31 046 17,5
Betsiboka Maevatanana 236 500 30 025 7,9
Melaky Maintirano 175 500 38 852 4,5
Alaotra-Mangoro Ambatondrazaka 877 700 31 948 27,5
Atsinanana Toamasina I 1 117 100 21 934 50,9
Analanjirofo Fenerive Est 860 800 21 930 39,3
Amoron'i Mania Ambositra 693 200 16 141 42,9
Matsiatra Ambony Fianarantsoa I 1 128 900 21 080 53,5
Vatovavy-Fitovinany Manakara 1 097 700 19 605 56,0
Atsimo-Atsinanana Farafangana 621 200 18 863 32,9
Ihorombe Ihosy 189 200 26 391 7,2
Menabe Morondava 390 800 46 121 8,5
Atsimo-Andrefana Toliara I 1 018 500 66 236 15,4
Androy Ambovombe Androy 476 600 19 317 24,7
Anosy Taolagnaro 544 200 25 731 21,1

Isan'ny mponina isam-paritra ny taona 2008-211

Région
Alaotra Mangoro 974 391 921 722 947 162 973 216
Amoron'i Mania 770 680 641 661 659 371 677 508
Analamanga 2 704 250 3 005 188 3 088 131 3 173 077
Analanjirofo 955 577 928 921 954 559 980 817
Androy 527 207 658 627 676 805 695 423
Anosy 602 209 602 874 619 513 636 554
Atsimo Andrefana 1 127 184 1 181 648 1 214 262 1 247 663
Atsimo Atsinanana 690 919 806 490 828 749 851 545
Atsinanana 1 239 783 1 140 301 1 171 773 1 204 006
Betsiboka 261 914 263 405 270 675 278 120
Boeny 601 890 717 623 737 430 757 714
Bongolava 361 436 410 439 421 768 433 369
Diana 537 197 628 194 645 532 663 289
Matsiatra Ambony 1 255 261 1 076 140 1 105 841 1 136 260
Ihorombe 210 550 280 263 287 998 295 920
Itasy 711 522 657 641 675 792 694 381
Melaky 194 471 259 880 267 053 274 399
Menabe 432 549 531 358 546 024 561 043
SAVA 890 534 880 170 904 463 929 342
Sofia 1 042 272 1 119 083 1 149 970 1 181 603
Vakinankaratra 1 759 321 1 618 277 1 662 941 1 708 685
Vatovavy Fitovinany 1 220 696 1 271 121 1 306 204 1 342 135
Madagascar 19 071 811 19 601 026 20 142 015 20 696 070

Demografia[hanova | hanova ny fango]

Ny mponina malagasy mipetraka eo anivon-tany sy eny amin'ny morontsiraka atsinana dia mety avy any Azia, ary ny mponina mipetraka any avaratra dia mety avy any India na avy any Afrika Avaratra. Araka ny dinika natao vao haingana, mety tsy nisy olona nipetraka tao Madagasikara raha tsy tany amin'ny taonjato faha folo tany ho any. Teo ny Aostroneziana (avy any Indonezia) no mety tonga. Ankehitriny, mponina malagasy no mipetraka any amin'ny tamba-nosin'ny Kômôro (Moheli, Mayotte, Nzwani) sy any La Réunion.


: 2015-02-10; : 35;


<== | ==>
Madagasikara | Ny foko malagasy 18
lektsii.com - . - 2014-2017 . (0.017 .)