КАТЕГОРИИ:
АстрономияБиологияГеографияДругие языкиДругоеИнформатикаИсторияКультураЛитератураЛогикаМатематикаМедицинаМеханикаОбразованиеОхрана трудаПедагогикаПолитикаПравоПсихологияРиторикаСоциологияСпортСтроительствоТехнологияФизикаФилософияФинансыХимияЧерчениеЭкологияЭкономикаЭлектроника
|
Votoatiny. · 2 Fiteny sy tenim-poko any Madagasikara[afeno] · 1 Tantara · 2 Fiteny sy tenim-poko any Madagasikara · 3 Oha-pampitahana filôjenetika · 4 Indran-teny o 4.1 Indran-teny tamin'ny fiteny javaney sy malay o 4.2 Indran-teny avy amin'ny fiteny sanskrity o 4.3 Indran-teny avy amin'ny fiteny hafa · 5 Fônôlôjia o 5.1 Zanapeo o 5.2 Renifeo · 6 Fanoratana ny teny malagasy o 6.1 Fivoaran'ny fanoratana ny teny malagasy · 7 Fampiasana · 8 Fitsipi-pitenenana o 8.1 Matoanteny § 8.1.1 Fizarana voalohany : matoantenin'ny mpanao ary ny matoantenin'ny atao § 8.1.2 Fizarana faharoa : sokajy dimy § 8.1.3 Zana-pizarana na fisokajiana fanampiny o 8.2 Anarana ary solonteny o 8.3 Tambinteny § 8.3.1 Mpamari-toerana · 9 Rohy ivelany · 10 Boky malalaka · 11 Tsiahy Tantara[hanova | hanova ny fango] Ny endriky ny teny malagasy dia tsy tahaka ny fiteny ao Afrika ao. Satria io fiteny io dia ao amin'ny vondrom-piteny Malayo-Polineziana, sampan'ny vondrona Aostrôneziana. Ny fihavian'ny teny malagasy dia fantatr'ireo mpandini-piteny hatry ny taonjato faha sivy ambin'ny folo. Ny teny malagasy dia mitovy vondrom-piteny Barito avy amin'ny faritany atsimo atsinanan'ny Nosy Borneo. Betsaka ny fitovizan'ny teny malagasy amin'ny fiteny ma'anyan, fiteny iray tenenina eo amin'ny faritry ny renirano Barito, ao Atsimon'i Borneo. Izy io milaza fa mponina Aotrôneziana avy amin'ny tamba-nosy malay nandalo tany Borneo no nipetraka tao Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton'io fifindrana io. Taonjato maro tety aoriana, nifangaro tamin'ny Arabo sy ny Masombika (Afrikana avy amin'ny tontolo soahily) ny mponina Aostrôneziana. Ao amin'ny teny malagasy dia misy indran-teny avy amin'ny fiteny arabo ary koa avy amin'ny teny soahily. Ny haisoratra malagasy dia efa nanomboka tamin'ny taonjato faha sivy ambin'ny folo. Tamin'ny frantsay tonga tao Fort-Dauphin tamin'ny taonjato faha 17, nahita soratra nosoratana tamin'ny alàlan'ny sorabe izareo. Ny soratra voalohany nosoratana tamin'ny abidy latina dia ny raki-bolana malagasy-holandey nosoratana tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha 17 navoakan'i Gabriel Ferrand voalohany tamin'ny 1908. Ny sorabe dia soratra mety nampidirina tao Madagasikara tamin'ny taonato faha 15. I Radama I, ny mpanjaka mahay mamaky teny sy manoratra tao amin'ny Fanjakana Merina, dia namorona abidy malagasy sy abidy latina mbola ampiasaintsika amin'izao fotoana izao ; saingy ny fitsipi-panoratana sy ny litera ampiasaina fotsiny no niova. Nikasa tamin'ny protestantan'ny London Missionary Society hanangana fiangonana sy fianarana ianarana ny abidiny i Radama I. Ny boky voalohany noprintiana tamin'ny teny malagasy (miaraka amin'ny abidy moderna), dia ny Baiboly, nodikain'ny misionera Kristiana Britanika tamin'ny 1835 niasa tao Imerina. Ny raki-bolana voalohany noprintiana dia ny raki-bolana malagasy-frantsay nataon'i Etienne de Flaucourt. Fiteny sy tenim-poko any Madagasikara[hanova | hanova ny fango] Rehefa dinihana amin'ny lafin'ny fidiniham-piteny ny teny malagasy, dia misy teny malagasy maromaro fa mitovitovy. Samy fiteny izy ireo fa tsy tenim-paritra. · Bara, · Betsimisaraka atsimo, · Betsimisaraka avaratra, · Masikoro, · Plateau, · Sakalava, · Tandroy-Mahafaly, · Tanosy, · Antankarana, · Tsimihety, · Bushi (Bosia ?), any Mayotte Any Madagasikara, misy ny malagasy ofisialy. Miasa eran'ny nosy sy ampiasain'ny gazety sy ny fahitalavitra. Ao amin'ny gropy atsinanan'ny zanataho Barito ireo fiteny ireo. Any Indonezia daholo ny foko miteny ny fiteny barito hafa, afatsin'ny foko malagasy miteny malagasy. Noho izany, dia avy any Indonezia ny teny malagasy fa tsy ao Madagasikara satria tamin'ny taonjato faha efatra vao nahitana olona tao Madagasikara tao, kanefa tany Afrika, efa-jato kilometatra miala avy eo, nisy ny olona hatran'ny roa tapitrisa taona. Oha-pampitahana filôjenetika[hanova | hanova ny fango]
Sorabe Malagasy
Sorabe, abidy malagasy talohan'ny nivadihan'ny abidy latina ho ofisialy Azo ampitahaina ny foto-boambolana avy amin'ny lisitra Swadesh ary izy io dia mamoaka ny tabilao manaraka :
Indran-teny[hanova | hanova ny fango] Indran-teny tamin'ny fiteny javaney sy malay[hanova | hanova ny fango] Betsaka ny indran-teny amin'ny teny malagasy nindramina tamin'ny teny vahiny. Ao ny fiteny malay ary ao koa ny fiteny javaney taloha ; anisan'ireo teny ireo dia ny teny trozona, avy amin'ny teny malay duyung ; ny horita avy amin'ny tenygurita ; ny fano avy amin'ny teny penyu, ny hara avy amin'ny teny malay karah, ny fanohara (karazan-tsokatra) avy amin'ny teny malay penyu karah ; rivotra avu amin'ny fiteny malay ribut midika "rivomahery" na "rivodoza" ; tanjona avy amin'ny fiteny malay tanjung; harana avy amin'ny teny malay karang ; sambo sy nosy avy amin'ny fiteny javaney sāmvawsy nusa, sns... Indran-teny avy amin'ny fiteny sanskrity[hanova | hanova ny fango] Ny indran-teny amin'ny avy amin'ny teny sanskrity dia mikasina ny isa sy ny kalandrie. Azo atao ohatra izao ny teny tantaraavy amin'ny teny sanskrity tantra midika teôria ; torak'izany koa ny teny hetsy (100 000) avy amin'ny teny malay ketinindramina tamin'ny teny sanskrity koṭi midika « folo tapitrisa ». Ireo teny avy amin'ny fiteny sanskrity moa dia nindramin'ny fiteny malagasy alohan'ny nahatongavan'ny malagasy tao Madagasikara. Ka noho izany izy ireo dia niharan'ny fiovana ara-drafipeo, ka tsy fantatra avy hatrany intsony ny fiaviany raha tsy dinihana amin'ny alalan'ny haitsikerafiteny mampitaha (linguistique comparative). [4] Indran-teny avy amin'ny fiteny hafa[hanova | hanova ny fango] Ankehitriny ny teny malagasy dia nindran-teny tamin'ny teny arabo (voambolana mikasika ny astrôlôjia), ny teny soahily (voambolana mikasika ny biby ompiana toy ny teny ondry na akoho) ary tamin'ny teny frantsay sy anglisy ho an'ny voambolana mikasika ny fitaovana ampiasaina amin'izao fotoana izao toy ny solosaina azo tenenina koa hoe "ordinatera" na "kompiotera". Ao koa ny anaran'ny karazan-java-koanina toy ny pizza, ny makaraona sns... Nanana ny fianjadiany ihany koa ny fiteny arabo, indrindra indrindra amin'ny lafin'ny voambolana ampiasaina amin'ny fanandroana ary ireo vondron-kintan'ny zôdiaka : "Adaoro, Asaramanitra, Asorotany, sns..." ; ary koa amin'ny lafin'ny kalandrie, amin'ny fampiasana ireo teny arabo ho fiantsoana ny anaran'andron'ny herinandro : "Alatsinainy, Talata, Alarobia, sns.". Fônôlôjia[hanova | hanova ny fango] Zanapeo[hanova | hanova ny fango]
Renifeo[hanova | hanova ny fango]
Fanoratana ny teny malagasy[hanova | hanova ny fango] Jereo koa : Sorabe Ny teny malagasy ankehitriny dia mampiasa ny abidy latina ; noforonin'i Radama voalohany tamin'ny 1823. Ny tondron'ny abidin'i Radama dia mitovy endrika amin'ny abidy ampiasaina amin'izao fotoana izao : ny isan'ny litera ampiasaina dia mbola iraika ambin'ny roapolo, fa tsindraindray itarina ho enina amin'ny roapolo ny isan'ny litera ampiasaina noho izy ireo ampiasaina amin'ny teny vahiny (toy ny teny watt). Io ny litera ampiasaina amin'ny teny malagasy (ny eo anelanelan'ny fononteny dia ampiasaina amin'ny teny malagasy noho ny fampiasana azy ireo amin'ny fiteny vahiny) : a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z. Fivoaran'ny fanoratana ny teny malagasy[hanova | hanova ny fango] Niharan'ny fiovana ny fanoratana ny teny malagasy. Samihafa ny teny malagasy nosoratana tamin'ny andron'i Radama I(taona 1820-1830) ary ny teny malagasy nosoratana tamin'ny faram-paran'ny Fanjakan'i Madagasikara (faran'ny taonjato faha-19). Io teny malagasy nosoratana tamin'ny faran'ny taonjato faha-19 io koa dia samihafa amin'ny teny malagasy nosoratana tamin'ny fanjanahantany izay samihafa ihany koa amin'ny teny malagasy soratana amin'izao fotoana izao. Fampiasana[hanova | hanova ny fango] Ampisain'ny mponina malagasy amin'ny alalan'ny tenim-paritra na ny tenim-pirenena ny teny malagasy. Amin'ny lafiny ofisialy dia ny tenim-pirenena (malagasy ofisialy) no tena ampiasaina ary matetika io ihany no teny an-tsoratra. Mampiasa ny teny malagasy teny ofisialy na tenim-paritra koa ireo malagasy mipetraka any ivelan'i Madagasikara, na dia tsy maro aza ireo fianankaviana malagasy tsy mampianatra ny tenin-drazany amin'ny zanany. Eo amin'ny aterineto indray, dia vitsy ireo tranonkala mampiasa ny teny malagasy ho fitenin'ny votoatiny. Matetika ny malagasy dia mampiasa ny fiteny frantsay rehefa mikasika ny fampahalalana. Miampy izany koa ny safidin'ireo mpikarakara tranonkala izay misafidy ny teny frantsay ho fitenin'ny votoatiny. Araka izany dia mamaky ary matetika mifanakalo hevitra amin'ny teny frantsay ireo malagasy eo amin'ny tranonkala. Tsy mampiasa ny Wikipedia amin'ny fiteny madinika ny mponina nohon'ny boribory vetaveta. « Tsy tia hamorona votoatiny ny mponina satria tsy hisy hamaky, ary tsy misy mamaky satria tsy misy votoatiny. » Ohatr'ireo jordanianina manoratra amin'ny teny anglisy mba ho azon'ny mponina be kokoa, manoratra amin'ny teny frantsay ny malagasy mba ho azon'ny mponina any ivelan'i Madagasikara. Hoy izay mpamoratra izay, raha mamorona votoatiny be kokoa amin'ny teny nibeazany ireo malagasy, dia hisy kokoa ireo votoatiny amin'ny teny malagasy ary ho vaky ilay boribory vetaveta. Arak'izany amin'ny lafiny sasany, hahafahana mamorona fitaovana toa ny mpandika teny anglisy-malagasy ireo orinasa lehiben'ny tranonkala.[5] Fitsipi-pitenenana[hanova | hanova ny fango] Ny fehezanteny amin'ny teny malagasy dia matetika manaraka ny rariteny Matoanteny-Fameno-Lazaina (MFL), (amin'ny teny anglisy : rariteny VOS). Na dia izany aza mety miovaova arakaraky ny endriky ny matoanteny ampiasaina izy io araky ny ohatra aseho eo ambany :
|