ÊÀÒÅÃÎÐÈÈ:
ÀñòðîíîìèÿÁèîëîãèÿÃåîãðàôèÿÄðóãèå ÿçûêèÄðóãîåÈíôîðìàòèêàÈñòîðèÿÊóëüòóðàËèòåðàòóðàËîãèêàÌàòåìàòèêàÌåäèöèíàÌåõàíèêàÎáðàçîâàíèåÎõðàíà òðóäàÏåäàãîãèêàÏîëèòèêàÏðàâîÏñèõîëîãèÿÐèòîðèêàÑîöèîëîãèÿÑïîðòÑòðîèòåëüñòâîÒåõíîëîãèÿÔèçèêàÔèëîñîôèÿÔèíàíñûÕèìèÿ×åð÷åíèåÝêîëîãèÿÝêîíîìèêàÝëåêòðîíèêà
|
Ny foko malagasy 18
Isan'ny mponina[hanova | hanova ny fango] Ny isan'ny mponina ao Madagasikara amin'ny ankapobeny dia misy 20 042 551 tamin'ny 2008[5], ary eo amin'ny 22 tapitrisa eo ho eo tamin'ny 2012[6]. Eo amin'ny 43%n'ny mponin'i Madagasikara no latsaky ny 15 taona[7]. Isan'ny mponina teo anelanelan'ny taona 1921 sy 1960[8][hanova | hanova ny fango] (Venty : An’arivony isaky ny 1 janoary )
(1) Miampy koa ireo teratany avy amin’ny tanin’ny Frantsay hafa . Tarehimarika novinavinaina ho an’ny taona 1949 – 1954. Isan'ny mponina teo anelanelan'ny taona 1950 hatramin'ny taona 2010 [9][hanova | hanova ny fango]
Fiarahamonina[hanova | hanova ny fango] Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao ! Fanabeazana[hanova | hanova ny fango] Betsaka ireo olon-dehibe izay tsy mahay mamaky na manoratra[10]. Latsaky ny tahan'ny lehilahy mahay mamaky sy manoratra ny tahan'ny vehivavy mahay mahay mamaky sy manoratra. Eo amin'ny 16,4% ny vola lanin'ny governemanta nandritry ny fe-potoana 2000-2007[11]. Nifintina 32% ny anjaran'ny kitapom-bola ho an'ny fianarana ambony tamin'ny fiantombohan'ny taona 1990. Eo amin'ny 57$ (6% ny PIB/olona) isaky ny mpianatra ny vola lanin'ny fanjakana amin'ny fampianarana ambaratonga voalohany. Fananahana[hanova | hanova ny fango] Fifanarahana maro mikasika ny fiarovana ny ankizy no efa nosoniavin'i Madagasikara. Hatramin'ny taona 2005, tsy misy vehivavy mahazo mivoaka ny firenena miaraka amina olom-pirenena vahiny, na dia efa mivady aza ireo, raha tsy mbola feno 21 taona ilay vehivavy. Jeografia[hanova | hanova ny fango] Any ila-bolan-tany atsimo no misy an'i Madagasikara, faha dimy amin'ny nosy ngeza indrindra eto an-tanyny nosin'i Madagasikara, ao aorian'i Aostralia, Groenland, Ginea Vao ary Borneo. Ny lakandranon'i Mozambika no manasaraka azy amin'i Afrika. 700 km eo ho eo ny elanelan'i Mozambika sy Madagasikara. « Nosy Mena » (l'Île Rouge) no fiantson'ny olona an'i Madagasikara tsindraindray, satria ilay loko mena ilay no laterita mandoko ny dongolavany mena. 1580 km ny halavan'i nosin'i Madagasikara avy any atsimo ka hatrany avaratra ary 580 km ny sakany avy any atsinanana ka hatrany andrefana. Misy tangorom-bohitra mizara ny nosy makany avaratra hatrany atsimo. Ny salasalan'ny halavan'ireo tendrombohitra ireo dia misy 1200-1500 metatra eo ho eo. Any avaratr'i Madagasikara no misy nyTendrona Tsaratanana (na Maromokotro) manana haabo 2876 m. Misy farihy dimy any; ny farihy ngeza indrindra any Madagasikara dia ny Farihin' Alaotra, manana velarana 182 km2
Ireo farihy lehibe sy ny velarany (ha) tamin'ny taona 1960[12][hanova | hanova ny fango] Ny farihin' Alaotra no farihy lehibe indrindra ao Madagasikara. Ny halalin'ny toerana lalina indrindra amin'io farihy io dia 1,5 metatra monja. Ny lanjan'ny ranon'ny farihin'Alaotra dia eo amin'ny 930 tapitrisa taonina eo ho eo (0,93km3). Noho ny fikaohan'ny tendrombohitra manodidina, dia nihafeno fasika ilay farihy, ka izany no anisan'ny antony tsy mahalalina io farihy io.
Vohontany[hanova | hanova ny fango] Voazara telo ny vohotan'i Madagasikara. Any atsinanana dia misy lemaka tery kely haavo misy ny lakandranon'ny Pangalana manana toe-tany be orana any avaratra hatrany atsimo. Ny eo anivon-tany indray dia misy ny ankabeazan'ny mponin'i Madagasikara ary koa ny renivohi-pirenena Antananarivo ; ny toe-tany eo amin'ny faritra anivo dia mangatsiaka amin'ny andro ririnina ary matimaty na mafana rehefa andro fahavaratra amin'ny volana Desambra ; ny latsak'orana eo amin'ny faritra anivo dia antonontonony ; ny havoana dia maka enimpolo isan-jaton'ny velarantany tontalin'i Madagasikara. Ny faritra andrefana dia manana toe-tany maina sady mafana mandavantaona ; ny hakitroky ny mponina any amin'nyfaritra andrefana dia anisan'ny kely indrindra ao Madagasikara. Ny toerana avo indrindra ao Madagasikara dia ny Tsaratanana any amin'ny faritan' Antsiranana manana haavo 2 876 metatra. Toe-tany[hanova | hanova ny fango] Lahatsoratra antsipirihany : Toe-tanin'i Madagasikara. Tropikaly ny toe-tany amin'ny amorontsiraka, ara-pehibe izy any atsinanana, tropikaly maina izy any amin'ny amorontsiraka andrefana sy atsimo, ary tropikaly mangatsiaka izy any ampivoany. Ny Anticyclone ny Ranomasimbe Indianina no mampisy ny alizé atsimo atsinanana, mihisaka araky ny fizaran-taona io alizé io. Manana fizaran-taona (saison) roa i Madagasikara : misy ririnina (maina) amin'ny volana Mey hatramin'ny volana Oktobra, sy fahavaratra (mando) amin'ny volana Novambra hatramin'ny volana Aprily. Miovaova arakaraky ny haabon-toerana ny toetrandro sy ny rivotra manjaka ny toetrandro. Mandalo amin'ny amorontsiraka atsinanana izao ohatra ny alizé, Noho izany dia manorana matetika any satria mbola misy ny Andrangitra mitazona ny ankabeazan'ny hamandoana ; Any amin'ny amorontsiraka atsinanana izao no tena be orana indrindra any Madagasikara (3 500 mm isan-taona) Mandalo matetika amin'ny fahavaratra ny rivo-doza avy any amin'ny nosin'ny Maskarena. Maimaina sy mangatsiatsiaka ny tany any andrefan'i Andringitra amin'ilay alizé tsy tonga any. Mahatratra 1 400 mm ny orana latsaka any Antananarivoamin'ny ririnina, mety mangatsiaka be ny alina any fa tsy dia mivoaingana matetika. Fa mety mivoaingana ny rano rehefa mihakatra any an-tendrona. Amin'ny andro ririnina, ny lanitry ny renivohitra dia anisan'ny tena mazava (amin'ny tantera-kazavana) indrindra eto an-tany. Mbola maina non'ny ampivoany ny toetr'andro any andrefana satria efa nilatsaka daholo ny hamandoan'ny alizé. 300 mm fotsiny ny tontalin'ny orana latsaka any Toliara mandritry ny taona Toe-karena[hanova | hanova ny fango] Anisan'ny firenena mbola an-dalam-pivoarana eto an-tany i Madagasikara. Araka ny tatitra momba ny IDH tamin'ny taona 2000 (miankina amin'ny taona 1998 ny fampahalalàna), faha 141 amin'ny firenena 174 Madagasikara. Miankina amin'ny fambolena ny toe-karenan'i Madagasikara. Miverina tsikelikely ny toe-karena tamin'ny krizy tamin'ny 2001. Miezaka mafy ny fitondrana (manomboka hatramin'ny 2002) mba hampivelatra ny firenena amin'ny alàlan'nyMadagascar Action Plan. Mikasika ny fanamboarana ny lalana ihany koa ny fivoarana. Banky[hanova | hanova ny fango] Tamin'ny 1889, dia nitsangana ny banky malagasy voalohany Ny fananganana ny sandam-bola euro dia nampaherin'ny vola Malagasy izay tsy niankina tamin'ny volan'ny mpanjakana teo aloha (Franc frantsay), miatrika ny ampihimamban'ny dolara amerikanina mahery tany aloha. Vola baiko[hanova | hanova ny fango] Olona vitsy an'isa no manana fidiram-bola isam-bolana avy any ivelany avy amin'ny havana. Tombanana ho eo amin'ny 50ˆ hatramin'ny 100ˆ isaky ny fianakaviana ny vola baiko. Tamin'ny Mey 2003 , ny Arary malagasy no misolo ny Franc Malagasy (iraimbilanja). Nanomboka tamin'izany dia fametahana mari-bidy roa no apetraka eo amin'ny toeram-pivarotana sy ny tsena ofisialy. Nanomboka tamin'ny taona 2005 dia tsy misy afa-tsy ny Ariary malagasy no sandam-bola ofisialy ao amin'ny firenena (1 Ariary = 5 iraimbilanja). Fambolena[hanova | hanova ny fango] Ny fambolena sy ny fiompiana no fiveloman'ny fitopolo isan-jatonan’ny mponina. Hita na aiza na aiza ny vary ary hita fa manamarika ny fisehon’ny tontolo manodidina, satria foto-tsakafon’ny malagasy ny vary. Mbola lafo nohon’ny vary aziatika hafarana ny vary malagasy. Ny hena hanin’ny malagasy dia ny hena omby. Fahantrana[hanova | hanova ny fango] Ankehitriny, firenena mahantra i Madagasikara (firenena faha 146/177 amin’ny resaka IDH, «Indice de Développement Humain»). Maro ny anton’ny mampahantra ny Malagasy. Anisan’ireo antony ireo ny safidy ara-politika sôsialista nandritry ny ady mangatsiaka ary ny fahataràna ara-pandrosoana vokatr’izay safidy izay: miha-simba ny foto-drafitr’asa, ny sakana ara-pandraharahana amin’ny fampivoarana ny orinasa, ny tsifitombenana ara-politika ary ara-pitsaràna. Ao koa ny Fihavanan’ny Malagasy, na dia zavatra hafa tsy miditra azo aza : mifanampy ny mpiray fianakaviana, na dia tsy mampivoatra ny tena aza ilay fifanampiana ny fianankaviana. Izay fisainana izay koa dia vao maika ampitomboin’ireo Fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) amin’ny lafiny rehetra: tontolo iainana, kolontsaina, fahasalamana, fampianarana, fahazazana, fambolena. Ary noho izany, loharanon-karena mazava avy any ivelany ilay fanampiana avy any ivelany, na dia ho an’ny tena aza, ary anefa tsy fototry ny fivoarana maharitra.. Ny vary[hanova | hanova ny fango]
tanimbary Foto-tsakafon'ny malagasy ny vary, ary manamarika ny endriky ny faritra ny saha. Tanjona ho an'ny ho avy[hanova | hanova ny fango] Araka ny filazan'ny filohan'ny tetezamita mikasika ny fihaonambe Rio+20 tany Brezila ny 20 jona 2012, anisan'ny tanjon'i Madagasikara ny ho lasa sompitry ny ranomasimbe Indianina. Ny fomba hahatratrarana izany tanjona izany dia ny fanovana an'i Madagasikara hanana "toe-karena maitso".[13] Hai-kanton'i Madagasikara[hanova | hanova ny fango] Fety sy andro tsy fiasana[hanova | hanova ny fango]
Vangio koa[hanova | hanova ny fango] · Madarail · Antananarivo · Politika ao Madagasikara · Tantaran'i Madagasikara · Tananan'i Madagasikara Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango] · Madagascar sur Wikitravel · L'Express de Madagascar Gazety L'Express de Madagascar · L'Hebdo de Madagascar Gazety mpiseho isan-kerinandro Pays du monde | continent · vaovao amin'ny teny malagasy eran'ny izao tontolo izao Madagasikara an'isa[hanova | hanova ny fango] Lahatsoratra Ilaina[hanova | hanova ny fango]
|